Antsoy aho (Arison Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy ahy tokoa ny mandray ny antsonao
Fa na lavitra aza aho mba tsaroanao
Mandra-pihaonantsika indray andro any
Ho lazaiko anao fa ampy ahy aloha izay.

Ampy ahy koa ny mandre vaovao
Fa na tsy mikasika ahy tsy momba anao
Na ny andro ratsy na ny rahona izay misava indraindray
Lazainao ahy ataoko ampy ahy.

Ka mba hakao minitra iray
Ny andronao hiantsonao ahy
Na tsisy ambara firy aza
Mamorona resaka ho ahy
Fa mbola ho avy ny andro iray
Hihaonana maraina sy hariva
Dia ataoko ampy aloha izao ny feonao manivatsiva ny habakabaka.

....

Ampy ahy koa ny mandre vaovao
Fa na tsy mikasika ahy tsy momba anao
Na ny andro tsara na ny rahona mitatao indraindray
Lazainao ahy ataoko ampy ahy!

Ka mba hakao minitra iray
Ny andronao hiantsonao ahy
Na tsisy ambara firy aza
Mamorona re resaka ho ahy
Fa mbola ho avy ny andro iray
Hihaonana maraina sy hariva
Ataoko ampy aloha izao ny feonao manivatsiva ny habakabaka.

(Ôh ô!! ôh ôh ôh ôh!!!) (X4)

Antsoy aho!
(Ôh! ô!! ôh ôh ôh ôh!!!) (X2)
Fa ampy ahy!
(Ôh! ô!! ôh ôh ôh ôh!!!) (X2)
Antsoy aho...!!
(Tsarovy aho
Antsoy aho, fa ampy ahy)
Antsoy aho...!!
(Tsarovy aho
Antsoy aho,)
Fa ampy ahy!!

....

Oh oh oh!,oh oh!!, oh oh oh oh!!!
Ampy ahy, mandray ny antsonao
Ampy ahy, mandre vaovao
Antsoy aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arison Vonjy
Vangy : 106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 10/05/2025 03:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0789