Mampandria sofina (APC Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mampandria sofina amin'ny teniko
O! ry Tompo mba henoy ny sentosentoko
Koa atreho ny fitarainako ry Ray
Ianao no hametrahako indray, ity fitarainako e
Fa vao maraina ny andro dia mandre ny feoko ianao e
Atolotro anao ny faniriako ka miandry anao aho e

Fa ianao tsy Andriamanitra hankasitraka ny ratsy e
Reo mpanota tsy ho afaka hitoetra anilanao e
Ny mpandainga sy ny adala haringanao
Tsy aharitra eo ambany masonao
Mpandatsa-dra mpanitaka e! Dia tena halanao

Fa ny amiko kosa anie dia mila indrafo lehibe
Handeha an-tranonao anie aho (2*)
Hiankohoka hanatrika hanatrika anao

APC Tangaina
A&C : RAZOZY
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APC Tangaina
Visites : 1030
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : sissie2007
Date : 05/02/2018 09:35
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723