INTY AHO (Antsan'ny zavaboaary Ekar Andravoahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ref: O o o o o (4)
Inty aho iraho aho
Tompo ô hanao ny sitrakao
(Eny Tompo ô)

Eny ry Jesoa Tompo,
Maro ny vokatrao é
Nefa tsy misy mpiasa an, an
Hanangona azy ho Anao

Ref: Inty aho...

Tsy ny kilemako anefa
No tsy iantsoanao ahy
Fa na dia bitika aza an, an
Dia vonona aho ho anao

ref: Inty aho...

(Ry Jeso ô)
Ry Jesoa mahagaga
tsinotsinona aminao
(Izany hoe)
Izany hoe halemenay
Fa Ianao miteny amin-kery:
(Ampy ho Anao)
Ampy ho anao, ny fahasoavako
Matokia mifalia

(Eny Tompo ô)
Ref: Inty aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny zavaboaary Ekar Andravoahangy
Vangy : 2045
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lyiah
Daty : 05/02/2008 07:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4274