Teo Ianao (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teo Ianao - Antsan'ny FinoanaRaha tsy teo Ianao dia tsy haiko izay niseho
Ny Masonao mibanjina ahy
Ny Tananao mihazona ahy
Tsy namela ahy ho kivy sy hitoreo
Fa indro Ianao nitantana sy nampitraka ahy
Raha tsy teo Ianao dia tsy haiko izay niseho
Ny Masonao mibanjina ahy
Ny Tananao mihazona ahy
Tsy namela ahy ho kivy sy hitoreo
Fa indro Ianao nitantana sy nampitraka ahy
Fa potraka aho Tompo ô fa nanara-po
Tamin'izay rehetra noheveriko ho nahasoa
Tsy nahalala akory izay mety hiafarany
Hany ka nanenina sy teny nitomany
--
Fa na dia teo aza ny rendrarendra sy ditra
Izay mbola nosainana hatao sy ireo efa vita
Dia nahitsinao ny lalako tsy ho any
Fa namboarinao hahitsy hatrany hatrany
Misaotra Anao Tompo ô misaotra Anao
Fa na teo ireo sedra, fitsapana nanefenao ahy
Fa Mpandresy aho Jesoa manana Anao
Miavaka tokoa Jesoa ny manompo Anao
---
Misaotra Anao Tompo ô misaotra Anao
Fa na teo ireo sedra, fitsapana nanefenao ahy
Fa Mpandresy aho Jesoa manana Anao
Miavaka tokoa Jesoa ny manompo Anao
Fa Mpandresy aho Jesoa manana Anao
Miavaka tokoa Jesoa ny manompo Anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa FinoanaVisites : 240
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Vutus14
Date : 10/05/2025 07:52
