NY HAZO FIJALIANA (ANDRIAFO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mety ve ny mitaraina Jesosy o!
Eto am-pototry ity hazo nijalianao
Mitahiry fahatsiarovana ny namonjena Anao
Lasa hazo manganay tokoa

ref: ny hazo fijaliana ve?
n’aiza n’aiza no aleha
nobaben’ireto mpino marobe
(Tompo tia o!)
nefa ianao tsy nampitondra anay
fahoriana izay tsy ho zakanay
isaoranay anao tokoa satria nampionona ity fo
reraka aho kanefa ho aiza moa!

Eto am-pototry ity hazo ity Jesosy o!
No mba hany ahitako fiadanam-po
Toa fihiniko eto ianao ka hidongiako tsotra izao
’Zay rehetra manahirana ahy

Eto am-pototry ity hazo ity Jesosy o!
no hanavaozako indray ny fanompoana anao
Ny halahelo sy tomany holevoniko eto izao
Hitsangana aho ka hanompo anao

ref: mitsngana ary ianao
ny ranomaso koa fafao
be ny adidy mbola mianadry anao
(ry sakaiza o!)
ka ny rà nalatsany ho anao
no efa namonoany koa ny helokao
ireo fahoriana rehetra notaraininao teo moa tsy efa nozakainy ve?


AMOR.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANDRIAFO
Visites : 2571
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : bear
Date : 01/10/2007 12:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745