Tiako Ianao Jesosy (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre : Tiako Ianao Jesosy

(Sôlô : Lahy)
Ry Jesosy ô misaotra Anao, noho ny fitiavaNao ahy
Fa Ianao 'lay namana tsy mahafoy fa eo foana miaro ahy
(Sôlô : Vavy)
Nandalo fisedrana mafy aho, tsy navelaNao irery
Andry iankinan'ny foko Ianao, sambatra aho manana Anao

(Chœur)
Ref : Tiako Ianao Jesosy malala ô!
Tiako loatra ny anilaNao
Tsy mba hisy (ha)hasaraka ahy amiNao
Efa Anao aho ho mandrakizay

(Sôlô : Lahy)
Ho raiketiko ato am-poko, ireo teny izay lazaiNao
Mba Hamelombelona ny tontolo, hanome ainga vao
(Sôlô : Vavy)
Na betsaka aza ireo fahavalo, Ianao tsy ho azoko atakalo
BaboNao aho Jesosy ô! volamena ato am-poko Ianao

Ref : ...

(Uni-son : Vavy / Uni-son : Lahy)
Tiako Ianao ry Jesosy ô, tiako ho ahy mandrakizay
Sambatra tokoa ny olon'afakAo, manana Anao Mpamonjy

Ref : ...

A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0378