Noely Fanavaozana (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre : Noely Fanavaozana

Anio 'lay andro manan-daza nahaterahan'i Jeso
'Lay Tompo tsy manam-paharoa, sady Rain'ny mandrakizay
Koa aza mba misalasala ianao, 'ndeha tsenao ilay Tompo Tia
Havaozy ny fo, saina ary fanahy, fa handray ilay Mesia

(Sôlô : Lahy)
Fa Noely Fanavaozana ho antsika anie izao Noely izao, (Chœur : Noely)
Natao hiverenana indray amin'i Jeso, (Chœur : Noely)
Fa satria Izy no tonga izao, (Chœur : ouh ouh), handio ny otanao
Koa raisaonao Izy hanjaka am-ponao (Chœur)

Ry Jesosy ô! Mitoera amiko Ianao
Anjakao re ny Fiainako izao
Ny fo mankahala ovay ho fo vaovao
Amin'izao Noely anio izao

A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1289