Ilay Namako (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre :  Ilay namako

1/Fizarako ny alahelo, famborahako hafaliana
Tsy iza izany Jesosyô, fa ilay namako tiako
Iriako anie hitombo fitia ao Aminao
Ka hifanampy sy hiara-hifanohana

Ref : Fa tsy foiko anie izy iny Jesosy ô!
Tena namana ary tsy nivadika
Ato am-poko foana izy raha sendra lavitra ahy
Tsy ho adinoko satria NAMAKO

2/Efa maro izay efa niala, efa maro koa ireo nandao
Fa iny namako iny kosa Jeso tsy nivadika ahy
Tsapako fa fanomezana avy Aminao izy
Ka dia misaotra Anao aho ry Tompo ô

Aoka tsy izaho irery no hahazo anjaram-pamonjena
Fa ireo namako koa, iriko mba ho toa ahy
Ny fitiavanao Mamy no efa nampiray anay
Jesosy Tompo Malala ô! Henoy ny vavakay

A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0366