Arabaina (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre : Arabaina

(Sôlô : Vavy / Chœur)
Arabaina isika 'zay tonga eto izao, tonga manatrika manoloana
Fotoana ela ihany 'zay tsy nihaona, isaorana ny ao ambony nampitambatra antsika olony
F'isika hiara-hidera sy hihoby, hanandratra 'lay anaran'i Mpamonjy
Ko dia arabaina isika izay tonga eto izao

(Sôlô : Lahy / Chœur)
Misaotra ny Ray eram-po eran-tsaina, f'isika tsy foiny ho very maina
Fa mbola nomeny fahasalamana, ka tonga manatrika eto, halaviro ny sentosento
Andeha Derao Jehovah ilay nahary Namorona antsika sy ireo Voaary
Andeha ankalazao 'lay fitiavany anao

Arabaina e! Arabaina a, Arabaina tongasoa ianao ka tonga manatrika
Arabaina e! Arabaina a, Arabaina tongasoa e! Notahian'Andriamanitra

Miarahaba ny Ray aman-dreny zoky sy zandry manatrika
Tsy an-kanavaka foko saranga na Malagasy na koa Vazaha
Arabaina am-pitiavana Tongasoa e! Ianareo avy lavitra
Fa isika anio dia hiara-hidera ilay Andriamanitra

Arabaina e! Arabaina a, Arabaina tongasoa ianao ka tonga manatrika
Arabaina e! Arabaina a, Arabaina tongasoa e! Notahian'Andriamanitra

A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0399