'Zaho ve Jesoa (AMF Androndra Fahasoavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Zaho ve Jesoa 'zao otako izao
'Zaho ve Jesoa 'zao ditrako izao
Ho raisonao ve,ho raisinao ve, ho raisonao ve Jesoa.
'Zaho ve Jesoa 'zao vavaka izao
'Zaho ve Jesoa 'zao talaho izao
Ho raisonao ve,ho raisinao ve, ho raisonao ve Jesoa.
Jesosy o jereo, mba jereo ity izao mitaraina Aminao
Esory any ireo ota mankaleo Jesosy o vonjeo
Izaho ve Jesosy mba ho isan'ireo ankasitrahanao ireo
Jesoa o mba Jereo, Jesoa raiso aho, aza lavina.

Ref: Tiako tena tiako ny eo anilanao Jesoa
ny andro sisa hiainako, atolotro Anao
Mamy tena mamiko ny hatsaram-ponao Jesoa
Ny fo sy fitiavako, tsy hiala Aminao Jesoa

'Zaho ve Jesoa 'zao otako izao
'Zaho ve Jesoa 'zao ditrako izao
Ho raisonao ve,ho raisinao ve, ho raisonao ve Jesoa.
'Zaho ve Jesoa 'zao vavaka izao
'Zaho ve Jesoa 'zao talaho izao
Ho raisonao ve,ho raisinao ve, ho raisonao ve Jesoa.
tsy, tsy te hanindroa, tsy haveriko ireo ditrako
Fa neniko tokoa, neniko izay efa nanaranam-po
Tsy maintsy honerako, honerako avokoa ny ratsy vitako
Mba raiso re Jesoa, indro atolotro ny fifonako

Ref:...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMF Androndra Fahasoavana
Visites : 88
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Vonimpitia
Date : 01/04/2025 10:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0281