Ny fitempon'ny foko (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny an-dalana aho, eny an'arabe
Mihevitra sao mba hitako eny
'Lay salovany efa mahazatra ahy
'Lay nofiko ao anatin’ny alina
Namany aho nefa izaho tsy sahy

‘Lay endrik’efa haiko tsianjery
Hitako sary an-tsaina tsy anki-jery
Na mitabataba aza ny tontolo
Na takona aza aho tsy ahoako akory
Fa ny hanitra ihany ampy ahy hanimbolo

Dia ity fo manontany (oh, oh, oh, oh)
Injao ny saina namaly (oh, oh, oh, oh)
Tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany

Ref:
Rehany manakoako any
Ny fitempon’ny foko
Amin’ny saina fotsiny izy aloha,
Ho fihiniko Rehefa eo izy,
‘zaho mody tony
Nefa tsy te hiala eo intsony

Vizana ihany anefa indraindray
‘Ty fo tokana mitempo iray
Te hamoaka izay mba faniriana
Very namana nefa no ahiany
Lavina koa mbola ho fahoriana

Dia ity fo manontany (oh, oh, oh, oh)
Injao ny saina namaly (oh, oh, oh, oh)
Hoe aleoko miandry hatrany
Tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany
--------
Lien:
Commentaires
organe ( 02/07/2016 19:35)
mlay e
nantenainajojo ( 09/08/2017 14:07)
milay nareo
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 10980
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : mah16
Date : 29/06/2016 23:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432