Mikôzy (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao nahita nao aho
Dia tsy toy ny tety an-tany
Toa nafanafana ny tao anaty
Toy ny tselatra nidobodoboka ny fo
Tamin’ ianao irey no nahitako toy izany

Kanefa vofitakao tamin’ity fijerinao
Nanantena zavatra tsy ho hita
Tsy anjarantsika ny hiara-dia
Eto ambonin’ity tany ity

Maty aho, tena maty mihintsy izaho
Raha vao nahita anao
Ohatran’ny ipoka mihintsy ity foko
Hitia anao an-tsokosoko


Teny ny andro nadeha koa ny fotoana
Nifankahita ihany izaho sy ianao
Toa vomaika nampirehitra ny aiko
Ny fahitako anao iny
Matetik’isan’andro

Kanefa vofitaka aho Tamin’ity fijerinao
Nanantena zavatra tsy ho hita
Tsy anjarantsika no hira –dia
Eto ambon’ity tany ity

Maty aho, tena maty mihintsy izaho
Vaha vao nahita anao
Ohatran’ny hipoaka mihintsy ity foko
Hitia anao antsokosoko

Mety adaldalanao izaho
Mety adaladala mihintsy izaho
Mety ho tia hay ihany ianao
Mety ho azoko ihany ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 4755
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : minione
Date : 10/06/2010 14:44
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078