Mahagaga (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahagaga

Ireo fotoana niainantsika toa zary nofy ihany
Mijery anao toa mangatsiaka
Izaho koa manontany
Mbola misy ihany ve fitiavana mitoetra
Sa adinonano ve izay natao rehetra

Mahagaga ahy ianao toa tsy hita intsony
Fa dia lasa nandao
Tsy nilaza akory
Nefa izao mbola tia
Tsy haiko intsony ny atao
Miverena
Foana ny toeranao

Ny adiady kely aloha
Tsy maintsy misy izany
Aza atao mandratra fo
F’izany ny eto an-tany
Ho aiza ny hiefarana
Raha izany no tsy ho tanty
Ho samba ny tantara
Aoka ianao hisaina na hahatsapa

Mahagaga ahy ianao toa tsy hita intsony
Fa dia lasa nandao
Tsy nilaza akory
Nefa izao mbola tia
Tsy haiko intsony ny atao
Miverena ôôô

Interlude

Mahagaga ahy ianao toa tsy hita intsony
Fa dia lasa nandao
Tsy nilaza akory
Nefa izao mbola tia
Tsy haiko intsony ny atao
Miverena
Foana ny toeranao

(Manjaka/Kix,Blanc)
Ambondrona (“Tohizo ihany” Album 4)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 10751
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hermione
Date : 19/06/2006 09:41
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115