Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ho tsaroana (AmbondronA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
YeahNa dia tsy ho anjara
Na tsy hiara-dia aza isika
Na amin'ny zavatra hafa
Na amin'ny lalan-kafa no hivily
Ho mpinamana no fanirianao nefa indrisy
Toa sampanana ka nizara ny lalantsika
Ny adiady izay natao
Ny hanihany izay fanao
Sy ireo sangisangy ao an-tsaina ao e
Ireo zavatra mba vita sy ireo toerana efa hita
Ireo hira sy ny sisa dia ampy ahatsiarovako anao
Amin’izao fotoana izao, hafa ny lalanao
Ankehitriny kosa mba hafa ny lalako
Izaho anefa mino
F’ianao tsy hanadino toa ahy
Tsy fanahy iniana fa tsapan’ny fo sy fanahy
Ny adiady izay natao
Ny hanihany izay fanao
Sy ireo sangisangy ao an-tsaina ao e
Ireo zavatra mba vita sy ireo toerana efa hita
Ireo hira sy ny sisa dia ampy ahatsiarovako anao
Ampy ahatsiarovako anao
Ny adiady izay natao
Ny hanihany izay fanao
Sy ireo sangisangy ao an-tsaina ao e
Ireo zavatra mba vita sy ireo toerana efa hita
Ireo hira sy ny sisa dia ampy ahatsiarovako anao
Ny adiady izay natao
Ny hanihany izay fanao
Sy ireo sangisangy (dia ampy ahatsiarovako anao)
Ireo zavatra mba vita sy ireo toerana efa hita
Ireo hira sy ny sisa (dia ampy ahatsiarovako anao)
Dia ampy ahatsiarovako anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AmbondronAVisites : 10537
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 14/08/2004 06:37
