Aza ela any (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa miha madiva, ho maizina ny andro
Efatra ora hariva, ho avy izay ianao
mientana ny fo, aiza ihany ianao, ilay fanamperako
Tsy andry ny maraina niarenana nifoha

Ref//
Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko
'menao ilay fitsikinao nambabo ahy
Isan'andro izao, toa manonofy anao
Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy
Faingana aza ela any, f'izaho efa miandry
Ho fihininao.

Dify miha milentika ilay masoandro
injay ianao fa reko manokatra ny trano
Tsy niteny akory, indro tamy ianao
Manoroka ahy amin'ny fo.
Tsisy ny ho lazaina fa to ilay nofiko

Ref//
Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko
'menao ilay fitsikinao nambabo ahy
Isan'andro izao, toa manonofy anao
Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy
Faingana aza ela any, f'izaho efa miandry
Ho fihininao.

(Instru)

Ny tananao manafosafo ahy tsy foiko
Ny angolanao rehefa mitia ahy no henoiko
Eo an-tratranao manimanitra fitia tononkalo tena soa
Voatahiry ao am-poko ao

Ref
Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko
Omenao ilay fitsikinao nambabo ahy
Isan'andro izao, toa manonofy anao
Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy
Faingana aza ela any (faingana az'ela any),
F'izaho efa miandry
Ho fihininao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AmbondronA
Visites : 9702
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 27/10/2019 11:09
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122