Tsy vazivazy (Alkah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Alkah x Noum'a - Tsy vazivazy


Midobodoboka ny foko vao mahita anao iny aho
Tsy hitako izay atao ny lohako fanina
Fa tsy haiko hoe izany ve ilay latsam-pitia
Fa tsapako avy hatrany hoe izaho mankafy
Miangavy re raha sitrakao, mba raiso fa aza lavina akie
Ra endrika amam-bika tonga dia babo aho
Izay indrindra no tena mahaliana anahy
Hoe tsara ve ny anatinao, sa sanatria ratsy fanahy
Fitiavana madio tsisy pentina, tsotsotra tsy mba mety harafesina
Tsy hain'iza na iza,refesina hoy aho ny fitiavako an'ilahy

ref:
Mba tiako sy faniriako ny eo anilanao eny
Tsy mila an'iza sy iza fa isika sy ianao irery
Mba satriko anie ra toa ianao koa mba liana
Fa ity tsy aniany intsony
Fa avy izaho aka anao ry tiana

Noum'a:
ôry kiala
Tara aminao hoy aho le bandy eh
Tena mila ho lasa adala
Fa mila anao izaho mba miangavy eh
Vao nahita anao dia efa nidobodoboka ny fo
Mba sokafy fa efa aketo izaho no tonga mandondona
Raha sitrakao dia ho avy izaho angala anao ho vady
Hanagno alafady dia avy akeo mariazy eh
Raiso anao fitiavako aza avela andeha
Raha manaiky ianao, ho ataoko vady be
Raiso anao, raiso anao fa aza misalasala
Raha manaiky ianao, ampiakariko ambony alitara eh

ref:
Mba tiako sy faniriako ny eo anilanao eny
Tsy mila an'iza sy iza intsony fa isika sy ianao irery
Mba satriko anie ra toa ianao koa mba liana
Fa ity tsy vazivazy intsony
Fa resaka fanambadiana

ref:
Mba tiako sy faniriako ny eo anilanao eny
Tsy mila an'iza sy iza fa isika sy ianao irery
Mba satriko anie ra toa ianao koa mba liana
Fa ity tsy vazivazy intsony
Fa resaka fanambadiana

ref:
Mba tiako sy faniriako ny eo anilanao eny
Tsy mila an'iza sy iza intsony fa isika sy ianao irery
Mba satriko anie ra toa ianao koa mba liana
Fa ity tsy vazivazy intsony
Fa resaka fanambadiana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alkah
Vangy : 26
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mafianaty
Daty : 20/05/2026 08:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0451