Dada sy Mama (Alkah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Dada sy i Mama tena tia anao iny
Isanandro izy mitady izay ahasoa anao iny
Raha izy no mijaly izany toa tsy rarahiany
Fa rehefa miaina tsara ianao
Dia izay no tena tiany

Mikaroka foana izy mba ho an-janany tiany
Ny ahita anao tafita, izay no tena faniriany
Fa ianao raha hoe tsy tiany dia efa ela no nariany
Fa matoa izy miteny dia fitiavany anao iny  

Ref : (x2)
Niany izaho mivolagna aminareo ry akama ah
Never Underestimate your Dada and Mama
Niany izaho mivolagna aminareo ry akama ah
Jamais Sous-estimer ton Dada et Mama

Ifonako aminao Mama ditra jiaby ireny
Fa mbola zaza loatra Alkah tamin'ireny
Promise-ko aminao Mama valibabena
Ekeko fa tsy ho voavaliko na oviana ireny fa
Hafatrao iny Dada ato antsaiko ombieny ombieny
Ny ditra sy ny revy tsy ho lany sao hanenina
Misaotra anao izaho Jah fa mbola velon-dRay sy Reny
I reapet again that i love both of them

Ref : (x2)
Niany izaho mivolagna aminareo ry akama ah
Never Underestimate your Dada and Mama
Niany izaho mivolagna aminareo ry akama ah
Jamais Sous-estimer ton Dada et Mama

Raha tsy tia Ray aman'dReny ianao miteraha mba ahita
Hajao ny ray sy reninao raha te ho tafita
Fa tiany foana ny azy na adala na maditra
Tiany foana ny azy na adala na maditra
Raha tsy tia Ray aman'dReny ianao miteraha mba ahita
Hajao ny ray sy reninao raha te ho tafita
Ataovy dieny izao izay mbola velon-dRay sy Reny
Tolory fahaiza-miaina,fahalalana,fahendrena

Ref : (x2)
ôyôhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhh
Never Underestimate your Dada and Mama
ôyôh yôh yôh yôhhhhhhhhhhhhh
Jamais Sous-estimer ton Dada et Mama
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alkah
Vangy : 32
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mafianaty
Daty : 23/04/2026 10:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0334