Tsy tambazina (Alkah & M'rad)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo ditraditranao nodiako jambaIanao nihevitra angamba
Hoe izaho tsy nahalala na koa poka maso tsy ahita izay zava-nitranga
Pelipelika tia sidisidina
Tandremo ary lanin'ny mamba
Ka hiverimberina aty
Dakadakako f'efa voron-damba
Fa ny pasinao tsy hiety amin'ny jeriko ô
Toetra ratsinao koa anie tsy efako ô
Azafady aminao akie ry neny
Izany ny vazo mi-vise ny tefako ô
Mba sasatra ihany aho ny farany eh
Ny aty koa mazaka nifirana eh
Ka andao ary eh
ref:
Ianao koa tsy tambatambazina eh
Miala rehefa tsy tamana
Ka tsy hifanerena fa ra sipa feno erakin'ny tanana
Ka aza mihevi-tena ho tsara be fa ny tsara mameno ny ara-be
Ka ho averiko indray tsy hifanerena koa mihintsy fa ôh lalah
( ôh lalah ôh ôhhh)
Mahazo mandeha ianao iny raha toa tsy tamana
Fa izaho tsy mitàna anao
Izaho koa mba rereka ihany mitazona lava, malama ny tananao
Ditranao iny eh,efa iaraha malala, mihaiky hatramin'ny havanao
Ndana, ndana eh
Mba satriko aza f'izaho koa tsy kiraronao
Ko tsy aleo ve ?
Misaraka dieny mbola tsy misy maratra eh
Ianao haiko fa tsara
Fa betsaka loatra koa ny lafiny ratsy eh
Fa rehefa tsy mety , io tsy mety
Izaho koa manan-kambo tsy mitamby aminao
Fitia io tsy lafo tsy vidiana fa maro koa ny manana tsy ohatran'ny anao
ref:
Ianao koa tsy tambatambazina eh
Miala rehefa tsy tamana
Ka tsy hifanerena fa ra sipa feno erakin'ny tanana
Ka aza mihevi-tena ho tsara be fa ny tsara mameno ny ara-be
Ka ho averiko indray tsy hifanerena koa mihintsy fa ôh lalah
( ôh lalah ôh ôhhh)
Tsy iandry vasoka aminao manangy
Fa izaho tsy voa-garantie
Izaho anie tsy mpamboly tambitamby } X2
Ka hiafy fô kara ity
Tofoka sady leo vandivandy fa ianao misera parsi
Tsisy veloma na mampamangy fa mifarana ny party
ôyôh yôh yôh mifarana ny parti
ôyôh yôh yôh fa ianao misera parsi
izaho tsy adal eh, ka hiafy fô kara ity
Ka aleo miala eh, Fa izaho tsy voa-garantie
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Alkah & M'radVisites : 30
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mafianaty
Date : 19/05/2026 11:52
