Tora-po (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
By Rom-ka Obama Fortunez

Refrain:

Omeko anao , ilay tsara indrindra
Fitiavana tsy miofo , tsy mifindra
Fa ho anao irery ho doria
Fa ho ho anao irery ho doria

Couplet 1 :

Orohako anaty voaly , ilay hany tokana tsy mba nandao tanaty jaly , tsy dia ara-materialy .
Izay misy eo itambarana , fidinana fiakarana .
Manaiky fa tsy vola ihany kay ny fahasambarana .
Na tsotra fiakanjo , haiko fa tsy fille facile
Na tsy arahana faux ongles , sy arahana faux cils
Ny amiko , omeko anao tsisy fameriny e .
Dia izay rehetra banga ho fitahiana ny famenony e
Hifikitra aminao na mbola maizina ny ampitso .
Hiara-hanoratra tantara , fa raha soratan’ny hafa mety betsaka ny handiso .
Fa ianao ilay arofanina mamefy ahy tsy hiakarapoka
Sarotra ravaina satria fitia tsy mitapoka .
Ny fifehezan-tena no ambolena hidoroboka
Hoe na maro aza ny meva a , aminao irery ihany ilay foko ny hidoboka , tsy ho boboka
Fa mandrapahalasako ho vovoka aaa

Refrain:

Omeko anao , ilay tsara indrindra
Fitiavana tsy miofo , tsy mifindra
Fa ho anao irery ho doria
Fa ho ho anao irery ho doria

Couplet 2 :

Ny rano hiampitana haiko fa masiaka onja a
Fa izaho miampy anao mira fitiavana mafonja
Hifameno , hifanampy amin’ny lalana mahitsy
Ilay fo mitempo no henoina fa tsy ireo vavan’ny olom-bitsy .
Fa sarotra no hilaza hoe izaho sy ianao tsisy tomika .
Ireo adiady mamaritra hoe tsisy anjely tsika .
Fa ny fitia tena izy tsy mihatsaravelatsihy .
Atoroko anao ny lafy A , fa tsy afeniko ny lafy B .
Lafo vidy , ny anilanao ihany no azoko antoka .
Fitsikinao no marina , fijerinao tsy sandoka .
Ny hatsarana ivelany mety ho resin’ilay fotoana .
Fa misaotra e , tamin’ny ilay fitia maimaim-poana .
Fa ianao ilay hany tokana mahay ny fahalemeko .
Ireo ady izay atrehako nanjary toa tsy reko .
Misy anao izaho mana-namana , manolon-tanana .
Efa mamy raha ny hatrizay fa vomaika ho tovanana .

Refrain:

Omeko anao , ilay tsara indrindra
Fitiavana tsy miofo , tsy mifindra
Fa ho anao irery ho doria
Fa ho ho anao irery ho doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad
Vangy : 39
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Romka
Daty : 23/02/2026 00:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0429