Voninavoko

Lohateny Voninavoko
Nampiditra istraky
Tamin'ny 06/02/2008 09:48
Vangy : 467




VONINAVOKO

PS : C ny tonalité , 4 temps , miadankadana (moderato) ny fitendry azy 



C                        C7           F
Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha
D7                                    G
Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha
C                          C7                F
Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa
C                           G7            C
Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa


C               C7                F   
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Dm                       G
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
C                           F
Ireo mafikely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
C                             G7            C
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko


C                        C7           F
Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony
D                                    G
Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony
C                          C7                F
Mpanjakan'ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko)
C                           G7            C
Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko



C               C7                F   
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Dm                       G
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
C                           F
Ireo mafikely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
C                             G            C
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko

C                        C7           F
Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra
D                                    G
Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra
C                          C7                F
Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana
C                           G            C
Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka


C               C7                F   
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady
Dm                       G
Na verovenina na violety mijoro toa kiady
C                           F
Ireo mafikely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)
C                             G            C
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko



VONINAVOKO
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077