Herilalarasolo
Sary rehetra...
Nampiditra Herilalarasolo 19/03/2026 17:37
Hiran'i Herilalarasolo 3 Jereo eto
Vangy : 231
Mpankafy : 0 Ankafizo
Mombamomba azy
HERILALA RASOLO, AMIN’NY ANKAPOBENY :Ny anarany feno : RASOLOHERILALA Francisco, teraka ny 29 Octobre 1980. Malagasy ray, Malagasy reny. Mitondra ny anarana amin’ny maha-mpanakanto : HERILALA RASOLO.
Mpitantana orin’asa, sady mpanakanto, manambady, manan-janaka telo mianadahy: roa vavy sy iray lahy.
Ny fihaviana, avy any amin’ny faritra avaratry ny region Analamanga : Anjozorobe. Notaizan’ny ray aman-dreny araka ny finoana Katolika niaraka tamin’ireo iray tampo : 4 mirahalahy sy dimy mirahavavy ; lehibe araka io finoana io ary tena mbola miaina ao anatin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny maha Katolika hatramin’izao. Nianatra teny amin’ny sekolim-pinoana : Ecole St Joseph Anjozorobe hatry ny garabola mandrapaha-lehibe, talohan’ny naha-mpianatry ny Oniversite. Efa nanana talenta hatry ny fahakely teo amin’ny sehatry ny fihirana satria mpikambana tamin’ny antoko mpihira tao amin’ny Fiangonana Katolika Md Joseph Anjozorobe tamin’izany ary dia nandray anjara foana isaky ny nisy hetsika teny an-tsekoly sy teny am-piangonana, eny rehefa nisy lanonam-panjakana ihany koa. Tamin’izany no efa nanana fahazarana tsikelikely niantsehatra sy niatrika public ary nananana traik’efa tamin’ny fihirana.
HERILALA RASOLO, MPANAKANTO
Ny mpanakanto HERILALA RASOLO. Mpihira sady mpamoron-kira malagasy, misehatra amin’ny gadona mifangaro : variete, tsapiky, bagasy, . .. …
Efa hatry ny fahakely no nisehatra tao anatin’ny sehatry ny kanto, indrindra tao anatin’ny fitiavana mihira. Nandray anjara foana isaky ny misy hetsika teny amin’ny sekoly, tany am-piangonana, ary koa lanonam-panjakana.
Ny fialamboly dia isan’ny tena mibahana ny tontolon’ny fihirana ka tao no nahitana namana niaraka namolavola ny tarika, nanomboka namory fitaovana tsikelikely tao an-trano nahafahana nanana studio an-trano.
Efa nanana hira ihany tamin’ny faha 18 taona (1998) fa tsy mbola nanana fahafahana nitrandraka izany. Nanomboka ny taona 2015 no efa nisehatra tamin’ny hira fampandihizana sy fanafanana lanonana. Fa nanomboka ny taona 2021 n’izay no nikotrika famoahan-kira : « Ho doria », « Ho mamy hatrany » , « Tsapiky en delestage », « Gasikarantsika » ireo no lohan-tenin-kiran’ny tarika voalohany saingy vita raki-peo fotsiny.
Nivoatra hatrany tao anatin’izany ary niha- niditra kokoa tamin’ny sehatry ny matihanina. Ny taona 2023 no niforona ny tarika « HERILALA RASOLO » .
Nitombo ny famoronana, niroso hatrany ary namoaka rakin-tsary ny 11 fevrier 2025 : Hira mitondra ny loha-teny « Tsapiky en delestage »,
Ny faran’ny volana mai 2025 ny rakin-tsary « Gasikarantsika », hira mitanisa ny hakanton’i Gasikara Tanindrazantsika sy ny maha-izy azy ny firenentsika ary ny tokony ho toe-tsain’ny vahoaka Malagasy.
Ny fiatombohan’ny taona 2026, namoaka ny rakin-tsary ny hira « Asio mozika ». Hira milazalaza mahakasika ny mozika, izay tsy tokony hisaraka amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona : na any am-piasana, na anaty fiara na eny amin’ny fiaraha-monina ary indrindra indrindra anaty lanonana.
Efa maromaro ny hiran’ny tarika, eo andalam-piketrehana ny famohana raki-tsary manaraka indray. Miisa 8 ny hiran’ny tarika vita raki-peo hatramin’ny anio, fa misy koa anefa ny mbola tsy tafavoaka raki-peo
Hevitra momba an'i Herilalarasolo
Mbola tsisy nametraka hevitra
