Ny ety an-tany (Tiavina Raoelison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro izao, fotoana izao
Niova anie, ny fiainan-tsika!
Namako ô!, havana ô!
Tsy mbola tara anie raha hiova dieny ety.

Tsarovy foana re, fa ny olona eeeh!!
Mety ho solafaka izy ve?, henoy anie!

Fa sambatra ilay?, nohenjehina hatrizay!
Ny hazo fijalianao, ireo sedra mafy niainanao
Valio ny tsara Izy, tsarovy fa eo Kristy
Fanahy Masina aiza re Ianao?
Arovy aho.
....
Mahatsiaro irery ianao, ory sy mijaly
Mitsangana re, manànana finoana amin'ny fiainanao
Mahantra izy, ampio izy
Havanao io, na ratsy omeo fitia.

Ny ety an-tany ve?, fitiavan-tena 'rery!
Hazakazaka eny foana, fitiavana an-dravola foana.

Ny mpitondra anay ô! tahio
Andriamanitra ô! ampio
Ampahafantaro anay ny Didinao.

Ka hifankatia, isika
Mifandefera amin'ny ady
Mba hatsaharo, ampy izay, fa maro!

Hiaraka isika, andeha mba ho tafita
Iray lalana hatrany, hiaram-paly any an-danitra any.

Ny olon-tianao, hajao izy raha tianao
Fihavanana, Fitiavana foana e!
No hampanjaka...ana!!

Hiara-dalana isika, hiaraka mba ho tafita
Tsarovy foana anie, na misy ny sedra mafy e!
Fa mandrosoa ary aza kivy izany!

Mahereza ianao, mifalia ianao
Mpandresy ianao...

Mpandresy ianao!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tiavina Raoelison
Hits : 74
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 01/11/2024 22:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747