Zatra aho (Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatramin’ny alina
no niezaka niantso anao
Nidradradradra hatrany hatrany
fa tsy noraisinao
Nivadibadika aho
niady tamin’ny torimasoko
Sao mba hikiririoka ihany
ilay boaty fiantsoako
Lasa ny saina, miandry ho maraina
fa tsy hita ianao
Hany ka niantso ilay mba namantsika no natao hanary dia.

Fiv : Zatra aho, zatra nahita anao ny foko
       Banga ny fiainako raha vao tsy eo ianao
       Zatra aho, zatra nahita anao isan’ andro
       Banga ny fiainako raha vao tsy eo ianao

Toa tsy ho tantiko
ny hiafaran’ny tantarantsika roa
Mbola tanora fanahy ianao
ny amiko diso fantatrao
Ho vita ihany anie,
Ny any aoriana no mety hoe hibitsibitsika
Ny tantarantsika tsy hoe mbola hitohy
ka avelao izy afoy
Ianao hahita, ny amiko efa vita
ka avelao aho
mba hanjaka kely ao anaty fonao
satria tsy honina.

Fiv : ....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tiana
Hits : 16015
Likes : 1 Like
Created by : emmy
Date : 09/09/2003 16:09
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117