Sofera (Tarika Vintsy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tsy mahalala ndry retsy ka aoka ilazako azy
Tsy tantara valamaty izy ty na resaka tsy hita lany
F’ireny saofera ireny anie toy ny voromanidina
Mahazo an izay ilainy izy e dia lasa misidina
Ndry koa mantsy sao mihevitra
Fa raha te ahita tany , na hiraozy any alavitra any
Na refa tsy manambola dia ireny sofera ireny ihany
No tsara iaraha midola oh oh oh
Nofinofy anie izany e sao ndry tsy mahalala
Sao tonga any an tampo-ketsa any ndry vao ilaozany lasa adala
Ny fahamatorandry akia no tsy ampy ka tsy azoko omena tsiny
Fa ny azy tsy tokatrano mazana ny zavatra tena iriany
Omeny ny lokaloka ndry retsy raha sendran ny tsy misaina
Rehefa tonga any an tsisitsiny any dia vitainy izay ilainy
Iny ary ianao fa lasa nibaby kitry
Dia nibotsina teo ny atody
Izy tsy hita fa lasa nody
Eo ianao vao mitsakotsako
Firaozina sy gala iray ve no ahatonga
Ity zaza tsy hanandray
Aleo manaja tena miandry iza ho sahaza
Dia antongotra sy ny fiara tsy mitovy
Dia lasa nanala zaza
--------
Link:
Comments
hery ( 07/10/2024 18:26)
Mitabeloha ( 07/10/2024 19:24)
Version Vintsy io ka tsy ilay miaraka amin'i Mala efa nohesorina ilay couplet izay nalain'i mala
hery ( 08/10/2024 22:06)
Ah ok
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Vintsy
Hits : 43
Likes : 1 Like
Created by : Mitabeloha
Date : 07/10/2024 17:42
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226