Anosy (Tarika Vintsy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa fony zaza aho tsy mba nahalala, zay hoe fitia hafa tsy tamin’I Neny
Toy izany koa ny amin’I Dada malala, hay ny fitia marobe tsy sahala
Fa tamin’izay aho nandeha teny anosy, nitsangatsangana isan’alahady
Nahita olona roa toa nitosy , ka niantso dada sarao fa miady

Ny valinteny nomeny ahy dia tsotra, aleo hIady fa samy tanora
Koa ndeha re anaka tohizo ny zotra, far aha hiteny azy eo fotsy ny rora
Fa tamin’izay aho tsaroako toa poritra nentin’I Dada nitady alaala
Koa indreo koa nisy nifanaiky molotra, hay hono miady fa olona adala.

Fa nony injay aho dimy ambin’ny folo taona, efa mba vatonjaza tamin’izay
Be sangisangy rehefa tafahaona, amin’ireo vatonjaza toa ahy
Fa zazavavy iray tamin’ireny no niantso ahy hoe avia ange ialahy
Tsaroako tsemboka aho vao nahateny, hoe feon’anjely ary ve no maintso ahy

Dia nentiny aho nandehandeha teny Anosy, indray andro mamiratr’izay
Ts’isy ohatr’izany ny fitsositosy , ka dia nivoady ny ho mandrakizay
Fa tamin’izay aho natoniny mora, nomeny molotra malemilemy
Nifampikasoka tao koa ny rora, nahazo fy ka tsy be teniteny.

Hatreo vao fantatro hoe ny fitia, tsy amin’I Dada na I Neny irery
Fa olon-droa mifanaiky ho doria no tena fototra hipoiran’ireny
Ka hay tsy ady oh, lay elabe iry, fa olondroa mifankatia
Tsy kaiki-molotra oh, lay elabe iry fa tolotolotry ny mpifankatia.

Auteur Compositeur : ANDRIANARISOA HANITRINIAINA(vintsy)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Vintsy
Hits : 53
Likes : 0 Like
Created by : Mitabeloha
Date : 07/10/2024 17:38
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129