Tia anao Jesosy (Tanora Marina Ambohitratrimo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay nania hatram'izay
Miverena amin'ny Ray
Fa dia ho raisiny indray
Fa izao no lazaiko aminao
Izao sy ny ankohonako
Anompo an'i Jehovah Ray

Izaho tsy nanampo
Fa ny ratsy vitako
Dia navelaNy avokoa
Rehefa niverina amiNy aho
Fa izao no ambarako aminao ry namako
Jesosy anie tena tia anao tokoa

(Ou...
Ah...
Ou...)

Ref:Andao hiara-dalana
Anompo an' Andriamanitra mpamindra fo
Satria izao no tsarovy sy mba tadidio tokoa
ZanaNy ianao, tiaNy tokoa

Na mahantra ianao, eny ory
Tsy hisy afaka hilaza akory
Fa hoe tsy zanaky ny Ray
Fa izao no ambarako aminao
Samy vidindràn'i Jesosy zoky be fitia
Izay manao azy fa mijoro tsara
Aoka hitandrina tokoa
Fa ndrao ho lavo eo indray
Angatao ny Fanahy Masina hiaro anao
Dia ho hitanao ny voninahitry ny Ray

(Ou...
Ah...
Ou..)

Rf:

"Na dia mena tahaka ny jaky aza fa fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala; ary na dia mangatsakatsaka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy"

Rf:

ZanaNy ianao,tiaNy tokoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora Marina Ambohitratrimo
Hits : 438
Likes : 0 Like
Created by : Jsjs
Date : 14/01/2025 17:56
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0709