Sedra (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro: Tann Faya, Bip up hoan' i Jeedai, ...

"Tsy moramora ny misaraka aminao, lasa lavitra
Izaho indray no mitomany fa irery, fa tsy eo ianao
Ilay fitiavantsika nokasaina hatao, hany tapaka
Mbola hiverina eo anilanao izaho, tena manina ny tsikinao"

Raiso tsotra ny ah' ry Gyal e!
Fitia tsy ho forcéna oa 'refa tsy mifamaly eeh'!
Na tsy foiko aza ny omaly e!
Nefa Raozy lozitra mbola ho ambolena iany ve e?
Soa isika lavo hahay hamindra!
Boky rovitra efa fanao any andava-piringa a!
Lasa hatsikana ny antsika!
Mpilalao sarimihetsika mahery eto Afrika!
Ka aleoko miala Gyal!
Toy izay oa itety ireo karazan' Hopitaly!
Marina fa samy jaly!
F' eo mba samy mody mitsiky lou' satria mba mody faly e!
De, matoa misaraka tsy poizina!
Lay Zanahary anie matoa mandahatra tsy dondrona!
Hey! Ny Mpandahatra tsy dondrona!
Mbola misy anjaratsika anioany anaty pokona any!

"Tsy moramora ny misaraka aminao, lasa lavitra
Izaho indray no mitomany fa irery, fa tsy eo ianao
Ilay fitiavantsika nokasaina hatao, hany tapaka
Mbola hiverina eo anilanao izaho, tena manina ny tsikinao"

Hey, zay tapaka de tapaka e!
Tsy mikambana na samy ho iray lanitra e!
Tsy ameno tany miaraka am' se,
Fa ra mila fanakinam-po mbola ao Andriamanitra e!
Talouh', za nitetika haka volana,
Ho anao irery ry Ikala 'nefa nofy lasa olana!
Hey! Niketrika vahaolana aho,
Aleo misaraka 'lou de aleo manamafy izay Ftiavana mety hoasolo anao!
Fa tsy olana 'zany,
Tsika manan-tongotra mipetaka @ tany!
Enao kôpy an' zany e!
Fa mandalo 'ngidy iany oa no hahitàna ny mamy e!
Ty vazo rotsirotsy,
Ho veloma indray mipika,
Aza mivika aza midontsy!
Ny akoho tsy voropotsy,
Fa ny alika oa tsy lioana,
Ilay tany kou tsy fotsy!

"Tsy moramora ny misaraka aminao, lasa lavitra
Izaho indray no mitomany fa irery, fa tsy eo ianao
Ilay fitiavantsika nokasaina hatao, hany tapaka
Mbola hiverina eo anilanao izaho, tena manina ny tsikinao"

Hey, de eo alouh' mba manalazy fa misaraka amiko ange ka afa-doza ry Vehivavy!
Ny life-tsika mandeha oazy ka samia oa mba mitaditady 'zay mba mampety azy!
Ra ny tiko anie ny foko oesoriko ho sasaina f' enao io 'nge nandoto!
Ny fanondro adalako manondro anao io fa saingy hoe enga anie ianao ho tahian' i Tompo iany,
(Tompo aah')
Na nandamoka ny lasa,
Na ny kiho aza nifafa f' za tsy hanozona tsy handatsa!
F' iny love ratsy faka,
Aleoko miala,
Tsy mahazaka aho ka mirary anao io mba hahita hafa aho!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tann Faya
Hits : 9379
Likes : 3 Like
Created by : ikalamako
Date : 01/11/2015 11:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111