Antso Peace (Tann Faya)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny atý miaina amin'ny fahantrana,Ny arý manapoaka basy,
Ny arý be fahasalamana,
Ny atý mifanindrona antsy,
Ny atý jaly iray tanàna,
Ny arý tsy mba lany vatsy,
Izany hoe ny any no mba tsara,
Fa ny anay foana no ratsy
Ny atý lohataona, fahavaratra
Tsy misy mba ho atelina,
Ny arý na tsy mikandra
Manambaka anay dia velona,
Ny atý marary lava, ny olana foana miverina,
Mahatonga ahy manontany hoe "izahay koa ve mba olombelona ?"
Ieny ary hoe, io lay mampanontany ahy hoe
izahay koa ve mba olombelona ?
Ny arý mitete menaka,
Fa ny atý no mahia,
Ny atý lasa mpitehaka,
Fa ny arý no mandihy
Ny arý tompon'ny resaka,
Fa ny atý mpitaty ambim-bava,
Rehefa tsy hahay hiara-mipetraka
Dia 'ndao hiara-hivarilavo
Ny atý miangavy Fihavanana,
Ny arý manangana ady,
Ny atý mizara ilay Fitiavana
Ny arý vola no mba vady
Miaraka hatrany aloha ny anay vao lay vola fitady
Fa raha tiatia kirendrarendra ianao dia 'zahay tsy anisany any!
Mahery, mahery ity antso ataoko androany,
Enga anie tsy ho very, tsy ho very
Mba manantena fahosana, hisy hijery hijery,
Miangavy aho, ho an'ny tany aho, isika mba ho iray ihany
May 'lay Babilonina, Babylonina brûle,
Babylonina may.
--------
Link: