Soa fa mbola (Tamboho Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hetraketrak'i Satana
Sy ireo adàlana koa
No nahatonga fanimbàna
Ho ahy ry Ray Tsitoha.
Ireo ditra nifanesy
Sy ireo ota izay natao
No nampisaraka ahy taminao.

Ka haizim-be, no nameno, ny fiainako ooh!
Ka faharatsiana, no nameno, ny fisainako
Ka fahafatesana no, tena sahaza ho ahy
Ho very hijaly ho mandrakizay.

Ref:
Soa fa mbola teo foana Ianao,
Hitantana ary koa nanitsy ny dian'ny finoako
Ireo ditra sy ireo adalako,
Hifonako eto anio,
Ry Jesoa malalako
Ôh mba raiso aho ankehitriny.

....

Ankehitriny, Tompo ôh!
Tsaroako eto izao,
Ilay famonjena, izay efa vitanao
Fa efa nodiovinao, tamin'ny Rànao soa,
Ireo fahotako sy ireo ditrako.

Mivezivezy teny aho,
Nikaro-java-tsoa ooh!!
Kanefa izay mba natao,
Tsy nisy nahafa-po.
Dia Taminao, Taminao, irery ihany no ooh!!
Mba nahitako fiadanam-po..oh!!

Ref:
Soa fa mbola teo foana Ianao,
Hitantana ary koa nanitsy ny dian'ny finoako
Ireo ditra sy ireo adalako,
Hifonako eto anio,
Ry Jesoa malalako
Ôh mba raiso aho ankehitriny.

....

Ref:
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tamboho Gasy
Hits : 105
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 30/05/2025 01:08
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1277