J e s o s y ô (TA FA KRI FLM Ambalavao)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Jesosy ô malemy aho ka mba iantrao,Toa resin’ireo fakam-panahy mpahazo ety.
Kanefa voafidinao hitory ny teninao ,
O Jesosy ô tsinjovinao ilay nania.
Ref: Jesosy ô vonjeo ity mpanot’izay mitoreo,
Ô mba iantrao, mifonare ô avelao.
Tsy fidiny ho ahy no resy lava toy izao,
Fa ny finona no mbola tsy ampy antiko ao
2-Jesosy ô, toa menatr’aho ny hidera anao,
Fa ratsy ny toetro hita andavanandro.
Jesosy ô, mba amindrao fo lay maditranao,
O raha sitrakao mba hamasino isanandro
Ref: Jesosy ô vonjeo ity mpanot’izay mitoreo,
Ô mba iantrao, mifonare ô avelao.
Tsy fidiny ho ahy no resy lava toy izao,
Fa ny finona no mbola tsy ampy antiko ao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : TA FA KRI FLM AmbalavaoHits : 2151
Likes : 0 Like
Created by : rivadiandrea
Date : 21/02/2010 15:10