Azo antoka (stk Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay Andriamanitro tsara indrindra
ny fitiavanao ahy teo foana tsy nisinda
ho very aho raha lavitra Anao
ka tsy hahita ilay fiainam-baovao

Ianao ilay Andriamanitro tsara indrindra
NY fitiavanao ahy teo foana tsy nisinda
ho very aho raha lavitra Anao
ka tsy hahita ilay fiainam-baovao

fa mila Anao ry Tompo ny fahavelomako rehefa Ianao No eo amiko
dia ho sambatra aho
azo antoka ny eo Aminao
matoa izahay nifidy Anao
Amen , Amen , Amen

Mitalaho Aminao Ray 'ty zanakao
fa rakotry ny aizina ny fiainanay ety
Feno loza mandoza ka mila Anao hanazava izany
fa na tendrombohitra aza voafindra

fa mila Anao...

Efa tapaka ny hevitro fa anaraka Anao Tompo o
Be loatra ireo ratsy natao ka mifoana e
ka raha hoavy ilay andro ialako ety
dia tsy hanahy aho fa efa manana Anao

fa mila Anao ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : stk Ambodihady
Hits : 4609
Likes : 0 Like
Created by : lova8
Date : 12/06/2016 15:02
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983