Tsara loatra (REVIVAL MESSENGERS)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antsoiko hoe: "mahatoky"Noho ireo fampanantenana notanterahinao
Mankasitraka aho
Fa niaraka amiko foana
Tsy mba hoadinoiko
Rehefa misaina ny Hatsaranao
Ny tànanao tsy mba nandao ahy
Tsy nandao ahy
Tsara loatra, tamiko Ianao
Tsy takatry ny saiko, tianao loatra aho
Ilay teo foana
TSARA LOATRA
Antsoiko hoe: "mpamonjy"
Noho ny Rànao nanadio
Navelanao ireo heloko
Mendrika indrindra
Tsy mila ho hitako insony
Antony hafa mba hinoako
Rehefa misaina ny Hatsaranao
Ny tànanao tsy mba nandao ahy
Tsy nandao ahy
Tsara loatra, tamiko Ianao
Tsy takatry ny saiko, tianao loatra aho
Ilay teo foana
TSARA LOATRA
Isa-maraina, ireo varavarana nisokatra
Antsoiko hoe mahatoky, Tompo ô te hisaotra Anao
Noho ireo fisedrana, navoakanao ho mpandresy aho
Antsoiko hoe mahatoky, Tompo ô te hisaotra Anao
Ny famindram-ponao, tsy mba nanary ahy mihitsy Ianao
Antsoiko hoe mahatoky, Tompo ô te hisaotra Anao
Ny famonjenao ahy, nalohanao lafo vidy indrindra
Antsoiko hoe mahatoky, Tompo ô te hisaotra Anao
TOMPO O TE HISAOTRA ANAO
Tsara loatra, tamiko Ianao
Tsy takatry ny saiko, tianao loatra aho
Ilay teo foana
TSARA LOATRA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : REVIVAL MESSENGERSVisites : 13
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : steph226
Date : 13/06/2026 11:52
