Mpanompo tsara (REVIVAL MESSENGERS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nihazakazaka aho nanao izay sitrakao
Nitondra ny Hazo fijaliako, tsy reraka
Tsy niala an-dalana
Tsy menatra ny Anaranao
Nijoro, hijoro aho
Mandram-pialam-pofonaiko

Ny antom-pisiako dia ny hoe hanompo Anao
Handany ny androm-piainako, babonao aho
Hiaraka Aminao aho
N'aiza n'aiza hisy Anao
Ho avy aho, ho any Aminao
Misokatra ny lanitra ho ahy

Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao
Ry mpanompo tsara sady mahatoky
Tongasoa ianao
Mivoha ho anao ny lanitra
Fa fifaliany indrindra ny fahatongavanao

Nohenjehina aho, noharatsiana aho, noho ny Anaranao
Fa hoy aho hoe tsy hahoako izany satria Azy aho
Jesoa no Anarany
Dia hoentiko mandra-maty
Ho avy aho, ho any Aminy
Misokatra ho ahy ilay Mandrakizay

Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao
Ry mpanompo tsara sady mahatoky
Tongasoa ianao
Mivoha ho anao ny lanitra
Fa fifaliany indrindra ny fahatongavanao
(x2)

Written by Pst Jocelyn Ranjarison & Joïca Razakavonison
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : REVIVAL MESSENGERS
Visites : 276
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : RJToky
Date : 29/10/2025 14:47
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0708