Love Parfait (Resia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resia Love parfait


Nidobodoboka ny foko
Tamin’ny fahitako anao
Toy ny afon’ny fitiavana
Niredareda tsy mety maty

Na dia niezaka aza ny saina
Nandà ny zava-misy rehetra
Resy aho, tsy nisy fefy
Ny fitiavako anao.

Près réf : ka aza mba lavinao zah ôh
Fa tena mila anao ôh!
Ny tontoloko ôh! Ry viavy iny eh)x2......

Réf
Resia rehefa tena love, resy am-pitiavana
Tsy hain’ny foko ny nandà fa resy aho
Resia rehefa tena love, tena na dia lavitra aza
Ny fitiavana tsy ho afaka fa tafalatsaka

Brig's:Love eh...love tena love tena love love aminao zah ôh) X2


Na dia misy elanelana
Ny foko mbola miantso anao
Toy ny onjan-dranomasina
Miverimberina foana eto

Tsy hitako izay hatao
Satria resy aho, tsy afa-miala
Resy noho ianao
Ny foko mbola mitempo ho anao


Près réf : ka aza mba lavinao zah ôh!
Fa tena mila anao ôh
Ny tontoloko ôh! Ry viavy iny eh)x2......

Ref:
Resia rehefa tena love, resy am-pitiavana
Tsy hain’ny foko ny nandà fa resy aho
Resia rehefa tena love,tena na dia lavitra aza
Ny fitiavana tsy ho afaka fa tafalatsaka

Brig's:.............


Na lavitra na akaiky ianao
Ny fitiavana tsy miala
Resy aminao aho, tsy nisy safidy
Satria tena love, ianao no anton'izan eh yeh!.


A/C : Lovasoa Hery Fanantenana Resia
Sond by: Tsam Rec prod
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Resia
Hits : 251
Likes : 1 Like
Created by : Resia
Date : 19/07/2025 11:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2616