Ao fa kely sisa (Rak Roots)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zandry ah! Ao fa kely sisa

Kely sisa!

Rerak'hono elah!
Toa enoko fa miezaka mitsiky nefa toa saritsariny fotsiny ihany
Fa ny anatiny mangatsiaka
Miezaka mitraka hono ela fa mavesatr'atoka
Zandry ah! Ao fa kely sisa!

Rerak'hono lah! Toa enoko fa miezaka mitsiky nefa toa saritsariny fotsiny ihany fa ny anaty mangatsiaka.
Miezaka mitraka hono lah fa toa mavesatr'atoka
Manafina ny akama nefa toa tsy azoko!
Angah tsy manana atokisana,tsisy olontiana mba hizarana izay mavesatra fa toa elah irery foana no mizaka ny mangidy.
Zandry ah! Ao fa kely sisa.

Lazao izay tena olana!
Manampy ny hafa foana elah nefa ny an'lah toa tsisy vahaolana.
Mba misy mijery ve elah rehefa iny dify ny varavarana ny akama.
Hihidy an-trano irery indray mantsy elah dia miaraka amin'ny maso manganohano.
Tsampako! Ao fa kely sisa.

Zaho angamba no diso eh!
Tsy nitondra an'lah t@ lalana marina,
Disoko ny tenako,anjarako no manarina izay tsy voam-pitako.
Tsy hitsara an'lah aho satria,ny hitan'lah mbola tsy hitako.Ny mahazo an'lah mety tsy hozakako,
fa ny hafatro dia : Ao fa kely sisa.

Dia hifoa indray zao elah io fa miposaka ny masoandro.
Hijery fitaratra dia hisento,hiteny hoe: ''mirary ntontolo andro,rahariva mihaona eh!
Ao fa hitondra namana aho raha mahita.''
Na ny hefitranon'lah aza mahatsiaro mangatsiaka satria irery tsika.
Zandry ah! Efa amoron'kady hono elah!
Mozika sisa no mampifaly,
Mozika no atao fanafody rehefa marary.
Non! Mozika namana ihany fa mila soroka enti-mamindra elah! raha mijaly,tanana hisafo mba hampitony ny saina,fihina mafy ampiakatra ny moraly,feo malefaka hiteny hoe: ''miara ory dia miara faly tsika''
Sa hiteny indray ela zao hoe: ''tsy maninona aho fa vizana fotsiny''
Satria mantsy elah mafy be hikohizana?
Sa tsy te hampizaka ny mafy ny manodidina dia aleo tazomina irery.
Dia potika tsikelikely ao elah!
Mitahiry poizina zandry mahafaty ah!
Ao fa kely sisa. any anh!

Henoko hoe: efa manao ankanjo mainty hono lah fa misaona fa maty fanahy mbola velona!
Mihevitra mantsy elah fa raha maty vao hisy ahatsiaro.
Dia ho lasa tsiaro ireo mamy napetraka,
Ny feo sy ny adalan'lah tsy maintsy halaelovana rehefa mikipy ny maso.
Kely sisa zandry ah!
Efa hifoha elah io zao.Nofy ratsy tsy ho mandrakizay fa raha mbola misy manaitra elah dia tapitra eo.
Ao fa kely sisa eh! Any anh!

Zandry! Kely sisa.

Efa ao ambaravarana ao anie izy eh!
Miandry an'lah ampandroso sisa.
Efa henony daholo ny resaka nataonareo tao.
Efa henony ilay feo malefaka iny rehefa miteny elah hoe:"reraka aho!"
Henony fa tsy misy mamaly elah fa elah irery no ao.
Izaho hoy izy ilay Andriamanitra be fitiavana.
Miandry anao anokatra aho dia hiditra aho ameno ny banga.
Indreto fa noentiko avokoa ireo zavatra nirin'ny fonao.
Nitondrako fitiavana sy fiadanam-po ary fahasambarana mandrakizay ianao.
Mahereza zandry ah!
Aoka izay ny sento sy ny tomany.
Hafatra avy aty @ko ihany.Rehefa resy aho dia atsangako.Rehefa diso aho dia ampianariko.
Zah ihany no zokiko.
Misaotra zoky ah!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rak Roots
Vangy : 7663
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lal'aina pisou
Daty : 10/08/2020 14:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114