Tady Vy (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zavatra tsy nataoko ve ny anagadranao ahy e
Toa zavatra tsy fantatro akory nefa ianao de nitory
Tena tsy mba matikololo, revinao Randrianasolo ô
Fa mba olona mba nitera-dahy hotran’ahy fa tia endrikendrika

Ny halako bika tsy tiako tarehy tsy hitondra anao aiza
Ny nanagadranao ahy, tsy hahitanao vola be
na hampisondrom-boninahitra e
Mety hekeko ihany nef’indrisy fa
ny tody anie tsy maintsy misy
Ka ny vitanao androany mbola hivaly aminao ihany

Satria ve izaho mpanao mozika de noheverinao fa
bandy alikalika toetra
Satria koa ve izaho artiste ka tompon’ny piste
Olombelona nofo sy rà toa anao ihany aho
Ka ny heloky ny hafa ve no omena ahy
sao dia tsy rariny e!

Efa fantatrao ve fa nimenomena aho hiaraka amin’azy
Dia mbola (izaho ihany)3 e!
Nisy porofo sy vavolombelona nitondrany an’azy niala any;
’Lay zanakao niteny an’izany tami Proces verbal e!
Dia mbola (zaho ihany)3 no tianao nidoboka tamin’izany
Tsy mbola nanao ratsy anao aho tsy ady tsy akany
Rehefa tsy tianareo nifankatia ’zahay 2 efa samby nanidy fo
Ka efa ny hafa ve no maka, ka ’zaho no alaim-baraka e


Tsy fidiny an’ahy no nandeha ni- pà,
fa nimenasenao loatra aho
’Lay viôlon valo amby efapolo ora ho ampina Tanimora hono e! (no)4
(Tsy haiko aho e)2 aia, or laloà ’zahay nitsoaka a
Fa Randrianasolo dia hamotika ny amiko manontolo

Tsy fidiny anahy niala tamin’ tribonaly fa ’zaho nijaly e!e!e! nijaly e!
’Le viôlon valo amby efapolo ora ho ampina Antanimora hono e! (no)4
(Tsy haiko aho e)2 aia, hors la loi ’zahay nitsoaka a
Fa Randrianasolo dia hamotika ny amiko manontolo.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rah-Ckiky
Hits : 13633
Likes : 1 Like
Created by : bellla
Date : 30/05/2006 17:16
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119