Ambohitsaina (Rastefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona ny eny ankatso
Inona ny Ambohitsaina
Tsinontsinona ary ny eny Ankatso
Mba henoy fa ho tantaraina,
Ao moa ny mianatra lalàna
Sanatrian’ny vava tsy mba mianatra hadalana,
Ao koa ny mianatra ny didy,
Misafidy malagasy izay te hianatra sikidy,
Agro no mianatra ho mpamboly
Ny asabotsy hariva no fandrohana devoly


Gagagaga anao aho mosé Ramasitera
Zay mpampianatray taloha
Gagagaga anao aho amin’ity vavaka midera
Ka misafosafo loha.

Politeky moa dia mianatra motera
Ao ialahy no mianatra raha te ho brokantera
Medesina dia mianatra ny aretina
Ny sosiolozia ny vahoaka zay poretina
Ao ny economie mianatra ny toe-karena
Ao elah no mianatra mangorona harena
Fa ny zistoara ny tantaram-pirenena

Tena liam-pivoarana sy tia tanindrazana
Ny zaza malagasy
Tanteraka mihitsy tsisy baiko-mpitolomana
Ny ady an-taratasy

Tahaky ny inona ary ny eny Ankatso
Tahaky ny inona
F’ianao mbola ho eny Ankatso
Zaklina

Tsy hita moa izy ity, ndeha hianatra dia ho aiza
Handany labozia ka hianatra ka ho aiza
Ao ny sivatsivana malaza tato ho ato
Io fa mivelatra lay fandrika harato
Ka rehefa tsy mahatanty dia mankany dilambato

Tsy zay rehetra mianatra sy diplomé
Dia ho lasa PDG
Fa maromaro ihany ny nivoaka teny Ankatso
No saomera an-dalambe

Inona no miandry anao
Raha mivoaka avy eny Ambohitsaina,
Halohalika ny ranombary
Tsy aleo ve lery mba tantaraina.

Raha sendra tafavoaka ianao avy eny Ambohitsaina
Ny diploma indray no miteraka adin-tsaina
Raha mitady kandra ka hiasa eto amintsika
Tsy mba diploma fa dia gadra politika
Na ny zavatra nianarana na siansa na fizika

Ny zavatra nianarana ve lesy no ratsy
No dia tsy hahitana kandra
Sa ny diploma misy diploma gasy indray
Na diploma nandra

Gagagaga anao aho mosé Ramasitera
Zay mpampianatray taloha
Gagagaga anao aho amin’ity vavaka fidera
Ka misafosafo loha.

Ny zavatra nianarana ve lesy no moa no ratsy
No dia tsy hahitana kandra
Sa ny diploma misy diploma gasy ndray
Sy diploma nandra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rastefa
Vangy : 1902
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/02/2015 23:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907