ZALIA (Rastefa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Firy amin'ny tovovavy moa no efa mitondra tena,
Fitia tena nampitrotraka vahoaka miavo-tena,
Tsy vitsy amin`ny tovolahy anie no lasan`ilay nandositra,
Zatra mitsoaka andraikitra dia iny izy mitambositra o.
Zalia, indry
Zalia aza mety, lery fetsifetsy
Zalia aza mety, fa lery fetsifetsy
Fitia be mitafotafo anie, fitia tsy hita velively,
Fitia tsy namidy lafo anie mba toa lasa zazakely,
Zalia mbola te hianatra voalazan`i ramose,
Sahiran`ankizy kely anie ka tsy afa-mandehandeha ho'aho
Zalia, indry
Zalia aza mety, lery fetsifetsy
Zalia aza mety, fa lery fetsifetsy
Fitia tsy mba nangalarina na vitan`aferafera,
Fitiavana tena marina voalazan`ny dokotera,
Fitia hatramin`izay anie, fitia hono mampijaly,
Raha toa ka mitohy hatrany anie dia ho olana nasionaly ho'aho.
Zalia, indry
Zalia aza mety, lery fetsifetsy
Zalia aza mety, fa lery fetsifetsy
Fitia tsy mba nangalarina na vitan`aferafera,
Fitiavana tena marina voalazan`ny dokotera,
Fitia tsy mba nangalarina fa vita amin`ny teny era,
Firy amin`ny tovovavy moa no lasa nanao masera ho'aho.
--------
Rohy:
Hevitra
nantenaina2
(
12/07/2019 01:50)
AHITSIO RAHA MISY DISO NY TONON-KIRA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RastefaVangy : 1701
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nantenaina2
Daty : 13/07/2019 11:33