Ny Anjarako (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa voahomanao ny toerako raha miala etyNy Tànanao mitsotra handray ahy ry Jesoa tia
Fiadanana mandrakizay no hany anjarako ary
Noho ilay finoako Anao, finoako Anao tsy maty
Ny anjarako dieny ety, mino Anao, matoky Anao
Ny anjarako dieny ety, tsy miala Aminao ho doria
K'izay itoeranao sy itoeran'ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao
Izao fiainana itoerako tsy aharitra
Aleo mibanjina 'lay toeran-tsoan'ny Lanitra
Fahasambarana tsy ho lo no hany anjarako ary
Noho ilay finoako Anao, finoako Anao tsy maty
Ny anjarako dieny ety, mino Anao, matoky Anao
Ny anjarako dieny ety, tsy miala Aminao ho doria
K'izay itoeranao sy itoeran'ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao
Interlude
"Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy
Dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika (I Kor 15:19)
Fa izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy (Sal 73:28)
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho (Fitom 3:21)"
Ny anjarako dieny ety, mino Anao, matoky Anao
Ny anjarako dieny ety, tsy miala Aminao ho doria
K'izay itoeranao sy itoeran'ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao
K'izay itoeranao sy itoeran'ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)Hits : 773
Likes : 1 Like
Created by : sarobidy
Date : 29/08/2023 18:45