tsy haiko tompo o! (NY ANTSA MIDERA (NAM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HAIKO TOMPO O !

Tompo o! sambatra aho
Fa manana Anao
Satria nosoloinao fifaliana
Ny fahoriana

Tompo o ! tretrika aho
Fa notiavinao
Satria nampodinao famindram-po
Ny ota vitako

Tsy haiko Tompo o !
Ny tsy hankasitraka Anao noho izany
Tsy haiko Tompo o !
Ny tsy hanompo Anao

Inona ary no avaliko Anao
Noho ireo soa nataonao
Inty ny foko fanahy sy ny saiko
Tompo o ! omeko Anao

Tsy haiko Tompo o !
Ny tsy hankasitraka Anao noho izany
Tsy haiko Tompo o !
Ny tsy hanompo Anao


A/C : Rahaingomahefa Pascal
Mpihira : Ny Antsa Midera (NAM)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NY ANTSA MIDERA (NAM)
Hits : 14
Likes : 0 Like
Created by : pascalrahaingo1
Date : 21/04/2026 10:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1207