COURAGE FOANA (NY AFAKA FJKM ANKADIKEY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Mangotrangotraka mahamay ny ady ety
Be ireo mpanenjika tsy atao mahagaga izany
Fa ianao aza fony mbola tety
Nesoina nororana nalaim-baraka ihany koa

2) Toa mila ho ketraka ny nofo izay malia
Mijohy ny ranomaso vokatr'ireo ankaso
Mila tsy ho voatsindry intsony izany fo
Nefa noho ny aminao hangina aho Tompoko

3) Nahazo hery aho Jesô fa miaraka aminao
Tsy manan-tahotra, foana ireo ahiahy
Ny asan' ny maizina miala amin'ny anaranao
Courage foana aho tohananao tompoko

Fa na toy inona hamafin'ny ady atao
Tsy hampihemotra ahy
Fa handroso foana aho
Ianao Jesôsy irery no banjiniko
Ny hany fantatro : izaho any an-danitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NY AFAKA FJKM ANKADIKEY
Hits : 1423
Likes : 0 Like
Created by : andoez
Date : 07/09/2012 07:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213