Mandria am-piadanana (Noum's Montana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nahalatsaka ranomaso aho raha naheno hoe lasa ianao nandao ny tany
Satria ankona tanteraka ary tsy nampoizina ny fisian’ny izany
Ekeko hoe ny aina tsy mifametra ary fandalovana ny eto an-tany
Nefa ianao tsy nampilaza hoe ialoha lalana anay any
Ny fianakaviana toa nitanondrika ary ranomaso nanenika ny tava
Fa nilaozan’olotiana, nilaozan-tsakaiza ka ireo zava-bita hatrizay toa mila ho rava
Ho rava satria tranga tsy nampoizina no niseho
Nikipy ny masonao ary nisaraka ny vatana sy ny fanahy nanomboka teo
Dia nisaraka ihany koa isika satria ianao lasa ny amin’ny tontolo hafa
Fa na izany aza tsy maty ato am-poko, ary ireo lasa rehetra tsy ho voafafa
Tsy ho levon’ny taona, tsy ho adino mandrakizay
Fa ny faniriko di any andrianao am-piadanana eo anilan’ny Ray
Mba ho henika fahasambarana ny fanahy ao amin’ny ilay zaridaina lavorary
Ao amin’ny ilay tontolo feno fiadanana efa nomanin-Janahary
REF
Tombon-dalana ny anao fa samy mbola ho any
Vovoka ka ody vovoka, fandalovana ny tany
Tsy afa-manotra satria izay ilay fiainana, tsiky sy tomany
Mandria am-piadanana dia mandra-pihaona amin’ny izay efa lasa any
Nangina ny tontolo satria feno loatra ny alahelo
Toa tsy misy andro miratra fa ontsa ny fo, mamerovero
Tsy afa-manotra satria nandao ilay sakaiza tsy mahafoy

Vita ny azy ny teto an-tany fa any an-koatra kosa mbola hitohy
Ekena fa tsy isika no mpandahatra sy tompo-tsafidy
Fa an’ Andriamanitra ny aina, ka Izy no masi-mandidy
Fa izao aloha di any hoe ny ifandao
Fa ny vatana mangatsika sisa no anaovana ny fomba amam-panao
Azo sary an-tsaina foana ireo zava-bita taloha
Mitamberina ato anaty ka misy fotoana mankarary fo
Ory ny vatana ary kivy ny fanahy
Rehefa injay ny alahelo fa mikoriana anaty rà
REF
Tombon-dalana ny anao fa samy mbola ho any
Vovoka ka ody vovoka, fandalovana ny tany
Tsy afa-manotra satria izay ilay fiainana, tsiky sy tomany
Mandria am-piadanana dia mandra-pihaona amin’ny izay efa lasa any.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Noum's Montana
Hits : 840
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 09/06/2020 16:06
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109