Ny kolontsaiko (feat. Buhdda el Taga, Doublenn, Psykopaz) (Noum's Montana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
BUDDHA EL TAGA
Olombelona isika fa afaka mibaiko an’ireo Zanahary
Ho azavaiko amin’ny soratra no tianao sa ho atao sarisary, andao ary
Mahay mamorona ny olona fa loza koa fa mahay mandrava
Promété, lazao izy hoe tsy fotoan’ny sandoka intsony izao fa asaivo alatsany amin’ny izay ny saron-tava
Napoléon, tsofy am-poto-tsofiny ny hiran’ny revolisiona
Fa tonga amin’ny izay hono hoe ireo prophétie hamerina azy amin’ny laoniny
Mivoaza ianao ry Héros, ataovy ny asanao fa loza be amin’izao
Rehefa henoina ny mozika eto an-tany toa ny betsaka voadona ihany
Hares Hades, hatramin’ny izao aloha toa ianareo foana no mpandresy
Atlas, aleo ianao no atao Andriamanitry ny rap gasy
Ny vesatra ny tany, ao ambany tany ianao tsy miala fa mihafy
Nofintin’ny izay ny kolontsainy, ny fahaiza-miainy
Tsy mitsahatra mandalina na ny fiainana aza mistery
Rehefa malalaka ny vodiny dia lazainy fa ny saiko no tery
Aparitao ity, fa toro-lalana ho an’izay ampondra very

Mafy fototra ny kolontsaiko mandrakizay io tsy miova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ho an’ny kozy milay mbola tsy voasoratro ho ataoko ho lova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ilay kolontsaina miara-mitepo amin’ny fony
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Izay tiako no ataoko na mety na tsy mety amin’ny finoany

DOUBLENN
Ny kolontsaiko, varavarana misokatra ato amin’ny paradisa
Dia mandrosoa fa izaho no eto amin’ny seza fiandrianana androany
Mipetraha eto an-kavanako fa strapontin no sisa, no misy
Itondrana anao aty amin’ny tena fiadanana
Ny kolontsaiko tanimanga novolavolaina nasiana fofon’aina, oxygène
Zaraina ho an’ny mpiondana Doublenn
Ny kolontsaiko lafatra, tsy misy analana, tsy misy ovaina
Any anatin’ny kolontsaiko isan’andro andro iray toa zato
Ny kolontsaiko masina loatra nefa avy ato ambany tany ato
Ny kolontsaiko hazo fahalalana ny tsara sy ratsy
Vata misy harena miafina ho an’izay lany vatsy
Ny kolontsaiko hazon’aina eo afovoan’ny saha
Ataoko pyramide tsy mety simban’ny fotoana
Lasa ohatry ny kofa tsy misy bobs raha tsy misy anah
Ny kolontsaiko ilay fahagagana nampotehana mona

Mafy fototra ny kolontsaiko mandrakizay io tsy miova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ho an’ny kozy milay mbola tsy voasoratro ho ataoko ho lova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ilay kolontsaina miara-mitepo amin’ny fony
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Izay tiako no ataoko na mety na tsy mety amin’ny finoany

NOUM’S MONTANA
Aleo ho porofoiko eto am-pototry ny microphone
Alefako mifofofofo ao an-tsainao ohatra ny cyclone
Fa ny hanitry ny rap tsy ho lefy ato amiko na oviana na oviana
Penina sy tasitara ary fahaiza-mandalina no fitaovam-piadiana
Ny kolotsain’ny làlana, mifono hafatra sy fanabeazana
Amolavolana ny fomba fijery ho sahy hiatrika ady mazana
Akama manampy raha sendra ady sarotra
Mametsoventso mahatonga ny olana tsy hitambesatra maharitra
Mampitraka raha tafaondrika noho ny fahoriana, fahakiviana
Ireo sorisorin-tsaina lasa manome taratra fitsikiana
Ka aleo atsotrako ny tànana, totohondry koa mivonkina
Fanajana ho an’ny mozikan’ny beara izay mampiaiky ny pokona
Noum’s Montana, solontenan’ny ilay tena izy
Ametraka kozy mampiaky an'lah ho ataon'lah devise

Mafy fototra ny kolontsaiko mandrakizay io tsy miova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ho an’ny kozy milay mbola tsy voasoratro ho ataoko ho lova
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ilay kolontsaina miara-mitepo amin’ny fony
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Izay tiako no ataoko na mety na tsy mety amin’ny finoany

PSYKOPASY
Mijery an'lah ny beara, tsy mikimpy ny maso manoloana ireo mpanimbazimba mitondra rivotra hafahafa
Tsy fampitandremana fa toy ny fehi-kibo mikapoka, tsy milefitra aho eo anatrehan’ireo fakana hevitra sandoka
Ny tsy mety atao no hiverina tampoka, ny taona no hitsara, fa ny lokon’ny kolontsaiko tsy ho vasoka
Tsy miova ny famindra, efa tsara lasitra, tsara fototra, tsara voatra, tsara tsatoka
Mijery an'lah ny beara, ilay maso mena maditra, mety ahitan'lah peace, mety ahitan'lah ditra
Ny anio mbola tsy vita, anohizana ny ampitso ny kolontsaiko, hanova ny hevi-diso

Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
Ambony, ambony, aza ampidinina intsony
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Noum's Montana
Vangy : 865
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/06/2020 16:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126