Raha mozika (feat. Ndoas) (Noum's Montana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy
Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy mety foana

NOUM’S MONTANA
Mozikan’ny fanahy no alatsako eny am-poto-tsofina
Ambadiky ny MIC no miainga ny fofona
Ifanakalozana an’ny izay rehetra mahasoa
Amolavolana ny fomba fisainana ho an’ny mpankatoa
Mpankafy, mpankamamin’izay efa voasoratra
Ampihaiky tanteraka an’izay mbola sahy manohitra
Anaty rap no omeko ny fanabeazana
Kolontsaina eny amin’ny làlana fa tsy nentim-paharazana
Tsy angano angano, fa rima rima
Ho fanampim-pahalalana ho an’ny tsirairay izay liana
Tsy ifanomezan-tsiny raha toa ianao tsy nahare
Satria ny fitsarana ivelany tsy mety tampii-dalan-kaleha
Tsy asiako fondro satria izay ny fijeriny
Mozika ny ahy ny fiainako dia asehoko azy ny heriny
Rap fiainana, Hip Hop fiainana
Tsy ariako tsy atakaloko fa hanova ny fomba fisainana

Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy
Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy mety foana

NDOAS
Tsy mamorona aho manao tsianjery
Raha hilaza fa efa ela izahay no nifanerasera
Vao mbola zazakely aho dia efa naheno azy
Avy amin’ny mozika
Tsongoin’ny rantsa-tànan’ny dada
Ny onjam-peo manome toky mizara
Ny fianakaviana tia mikalo, ny anay io fitaizana
Dia mbola hilaza koa aho hoe amboara
Amboaram-peo, dia aza leo hilaza hoe izay indray
Tantarako izay fa tsy hoe tia sehoseho
Dia mitohy ny dianay sy izy
Nindramiko izy ho mpitondra teny
Noho ny fahaizany mampiombona sy fananany hery
Misintona saina, miditra anaty, mikasika fanahy
Na tsy misy azy, na tsy misy masoandro izy afaka hanafàna ahy
Taty aoriana, izy lasa lafika fitoriana an’i Jesosy Kristy
Raha toa ka lafika fatoriana izy fahiny
Haiko hoe tsy lavitra izy, lasa mpanampy
Ataoko fitaovana fa tsy ekeko ho sampy

Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy
Raha mozika, natao ho an’ny rehetra io
Tsy ankanavaka na ho anao na ho ahy mety foana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Noum's Montana
Vangy : 669
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/06/2020 16:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116