Anjara (Mélanie Walker)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na misy vola sy harena
Na tsisy tsy mampaninona
Mino aho fa ho anjarako ianao

Na diso mampanantena
Na tsisy fitiavana omena
Vao mainka io no itiavako anao

Efa fantatrao tsara, ny foko tsy hizara
Fa ny toerana dia tokana ihany
Eo anilanao no tsara
Safidy sy anjara
Tiavo aho toy ny hitiavako anao ihany e

Fa mangingina mangingina irery aho
Te ho eo anilanao
Nefa minomino minomino eny aho
Anjarako ianao

Na misy ny hadalana
Izay vita aza fafana
Izay ihany no iangaviako anao
Na diso fanantenana
Hamafiso f'aza rarana
Tsy hitombo ilay fitiavako anao

Aminao ny hatsarana tsy mba mitanila
Fitia mitsiry ao am-ponao koa tsy ho voatanisa
Omeo hafanana ho lasa paradisa
Ho tiavina sy ho tiana



Tonony : Dom Rasolo
Feony : Dj Kifr
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mélanie Walker
Hits : 1251
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 10/09/2019 10:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749