Ianao irery (Mélanie Walker)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aleo hindramiko ilay masoandro amam-bolana hilazako anao fa love aho
Fa izy hitondra hazavana sy vahaolana raha sendra mitady ho lavo aho
Ianao hanome hery, zaho hanome fitia
Ka aleo mba hiara-dia fa zaho mba mila anao o
Ka aza avela irery fa aleo mba hankafy satria ny amiko rehetra efa tena lasanao

Satria tiako tiako tiako aloha raha ianao ihany e
Raha mba mila tsikitsiky ianao dia izaho hanome
Efa ianao ilay nofidiko mba ho andefimandry e
Ka hiriko ny eo anilanao
Satria ianao,ianao irery,ianao ilay safidy dia ho tokana ho ahy,
Anilanao tsy ho very ianao ilay niriako hoe mba hitantana ahy

Ho eo anilanao foana aho fa aza manahy,satria ilay endrikao anie mamiratra ho ahy,
Ho eo anilanao foana aho fa aza manahy,fa mamiko ny anilanao,zaho mila anao ooooo
Aiko ianao fa ho ahy, matokisa aza manahy fa raha ny amitsika aloha voasoratra
Fa tsy ho voafafa ka na oviana na oviana dia tsy mba ho rava
Tolory ahy ilay tsikinao mamy, iriko anjara dia tokana ho ahy
Aza manahy aloha f'ilay fitiavanao anie ka tsy hisy hasolo
Hatramizay mbola mamelana, iriako foana hoe omenao ahy,
Ka tsy hoe fitia miserana fa ratrizay doria



Tonony : Arione Joy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mélanie Walker
Vangy : 9291
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/08/2016 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734