Mifoka miafina (MIJAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(aleo loa tonga dia ampirehetina ty, ao aloha jerena ny manodidina tsisy olona, kay ! mahery be izy izany, zay vao hanandrana hifoka miafina, tena mahafanina be izy izany, kay ! fanina be aho, mihoatra ny omaly )

Andriamanitra ô, fa aiza ary izaho izany
tena ohatran'ny mitsingevana, sa zah zany tsy eto an-tany ?
na dia tsisy dikany aza mampihomehy anah
aleo aloha manao mody matotra fa sao lazain'ireo mivaha

oadray letia e, toa tonga aty Ikopa
aleo aloha hiboridana sao ny akanjoko kotsa
o ry rangahy 'ty a, fa ianao io ve mamo ?
tsy manana frais-ndakana aho fa avelao zah hilomano

arabe anie io e, sao lazainao rano
efa lasa adala ianao e, eo dia mitantara angano
mikisaha ianao ery, aleo zah aloha hitsoraka
hitanao, jereo ny olona aza nihoraka

aleo hanaovako ankiletika, dia ampiako style
dia nanantona ahy daholo avy eo ny mpaka vilona
aza mihetsika, basy 'ty an ! iza no lazain'ialahy fa mpaka vilona
fa elah ve adala e, tsy inona iny tsy antsim-bilona a ?

hay ve zany le mifoka miafina e e
fay aho
baraka no azo fa tsy fafiny e e
fay aho
zah tsy hifoka intsony
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIJAH
Vangy : 9918
Mpankafy : 6 Ankafizo
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 08/04/2016 10:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725