Anao mopera (MIJAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zao dia zao aho handeha ho any am-piangonana
Hanadino anao aho, izay sisa no hitako hoe vahaolana
Ireo firavaka nomenao ahy ireny androany soloiko saplé
Fa tsy tia anao intsony aho fa dia hanokan-tena ho an’Iaveh

Ka dia ambarako anao ranabavy fa izaho nge ho’aho efa pretra
Efa olom-baovao, efa niova daholo ny tarigetra
Ireny sarintsika roa rehetra ireny ho’aho fafako daholo izy rehetra
Ka hametra-beloma aminao ranabavy, fotoana koa ho’aho manam-petra

Hanokan-tena ho an’ny Tompo amin’izay aho
Tsy tia intsony fa efa fay aho
Ka handeha ho any amin’ny monastera hiofana ho mompera
Ho any amin’ny monastera hiofana ho mompera ho’aho izaho.

Taloha ianao nahasaropiaro anah dia niadivako amin’ry zalah
Ankehitriny asoloko baiboly dia i devoly indray no ataoko rafilahy
Aza mitondra ahy anah amin’ny fakampanahy fa efa hitako ny làna mankany
Fa efa mompera i Mijah fa tsy mitovy amin’ilay tamin’izany

Ekeko fa tsy misy olombelona natao tonga lafatra
Fa na mihinam-bary aza ianao ho’aho misy latsaka
Tsisy mahalala ny ampitso ho’aho fa io ankamantatra
Fa homba antsika mianakavy anie ny Tompo, zay ho’aho no hafatra

Hanokan-tena ho an’ny Tompo amin’izay aho
Tsy tia intsony fa efa fay aho
Ka handeha ho any amin’ny monastera hiofana ho mompera
Ho any amin’ny monastera hiofana ho mompera ho’aho izaho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIJAH
Vangy : 2926
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/07/2018 20:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736