Raha Fitia (RABL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa hirahira ny fitia
Aleo hamoron-kira koa
Raha toa ny fitia ka vavaka,
Deraiko ANDRIAMANITRA.

Raha toa ny fitia ka adalana,
Aleoko any am-pigadrana,
Meloka eo anoloan’ny fitsarana,
Sazy tsy misy fiafarana.
Raha ny fitia no enti-mitia
Dia azonao tiavina aho.

Fiv: Tiavo aho mandrakizay,
Amin’ny fo, saina, fanahy,
Raha sitrakao tiavo aho
Mandritry ny androm-piainanao.
Tiavo aho hatrany ankoatra,
Ny fontsika hiaraka hivoatra
Zay ela indrindra raha azo atao,
Hisakaiza tsika sy ianao
Fa raha fitia ny fitia
Dia azonao tiavina aho.

Raha toa ny hanambadiana,
Tsy misy afa tsy fiterahana,
Satriko izy hitovy aminao,
Hitovy amiko koa.

Raha toa ny fitia ka toy ny ady,
Hiezaka aho mba ho be sandry,
Hifanandrina amin'dry zalahy,
Ho babo sy voafatotra
Raha ny fitia no enti-mitia
Dia azonao tiavina aho.

Fiv: Tiavo aho mandrakizay,
Amin’ny fo, saina, fanahy,
Raha sitrakao tiavo aho,
Mandritry ny androm-piainanao.
Tiavo aho hatrany ankoatra,
Ny fontsika hiaraka hivoatra
Zay ela indrindra raha azo atao,
Hisakaiza tsika sy ianao
Fa raha fitia ny fitia
Dia azonao tiavina aho. (x2)

RABL_2006
--------
Link:
Comments
hery ( 03/04/2020 09:36)
Kiii, efa hatramin'ny 2005 ve ity mbola tsy nisy mpihira foana
Nohisoa ( 17/05/2022 10:38)
Efa nampidiriko le mpihira sy ny lohateninkira o :)
hery ( 19/05/2022 18:39)
Ok misaotra anao.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RABL
Hits : 10021
Likes : 2 Like
Created by : GOLY
Date : 26/01/2005 01:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2181