Dada (KEN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada , rahoviana  ianao no hiverina indray
Fa malahelo anao mafy izahay
Mahatsiaro ireo sangisangy
Dada , rahoviana no  eto anilanay
Ny sentosentobato efa mahamay
Mahatsiaro ireo hanihany

Refrain :
Any ianao, lalaovin'onja isan'andro
Any ianao , misedra rivo-mahery
Any ianao, mangina sy manirery
Any ianao, miady mafy ny alina sy ny atoandro

Dada  a, zatra loatra aho nahita anao
Ka tsy aritro izay hiverenanao
Eto akaikiko eto indray
Dada a, maniry mafy aho rahatrizay
Ny hijanonanao eto aminay
Eto , mandrakizay

Refrain :
Any ianao, lalaovin'onja isan'andro
Any ianao , misedra rivo-mahery
Any ianao, mangina sy manirery
Any ianao, miady mafy ny alina sy ny atoandro

Ry Ray ao ambony, tantano re ny diany
Tsy ho lavo amin'izay alehany izy
Omeo azy ny hery rehetra
Ho tojo soa amin'izay tarigetra

Refrain :
Any ianao, lalaovin'onja isan'andro
Any ianao , misedra rivo-mahery
Any ianao, mangina sy manirery
Any ianao, miady mafy ny alina (sy ny atoandro)

Miandry anao aho ny alina sy ny atoandro
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : KEN
Hits : 213
Likes : 0 Like
Created by : Jessymih
Date : 10/08/2025 19:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1443